Zanaky ny Fiangonana Loterana Malagasy

Zanaky ny Fiangonana Loterana Malagasy is a Indonesian group. Having alot of group type in Facebook: close, open and secret and it is a CLOSED group. They attracted 5,638 members. So it is a Large group. You can find this group by searching 229536257062916 on Google, Bing or Yahoo. 2015-01-30 11:15:16 is the closest date we have information about it.

Ity vondrona ity dia vondrona ara-pivavahana natao ifandraisan'ny membres n'ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) izay manana ny foiben-toerany ao Andohalo, Antananarivo. Ny membres rehetra manerana izao tontolo izao dia mahazo mifanerasera sy mampiasa ity vondrona ity avokoa. Ny tanjon'ny vondrona dia ny hisian'ny fifampizarana na ara-traikefa ara-panahy na vaovaom-piangonana indrindra fa ny fampianarana sy fifampizarana ny teolojia tena Loterana araka izay ampianarin'ny Fiangonana Loterana Malagasy. Ny fandrindrana sy ny fanaraha-maso ny vondrona dia ifandrimbonan'ny membres vitsy sy ireo pastora sy teolojiana avy amin'ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM). Izay lohahevitra hita fa mivaona na mahatonga fisaratsarahana na fanaratsiana ka tsy mifanaraka amin'ny tanjon'ny vondrona dia hesorin'ny mpandrindra avy hatrany.
Ny tanjon'ny vondrona dia ny ahatonga ny membres hahazo fampianarana ara-Baiboly sy araka ny teolojia Loterana; ny hitomboan'ny membres amin'ny fahalalana tsara an'i Jesosy Kristy ka hahatonga azy ho vehivavy sy lehilahy lehibe amin'ny finoana ka ho afaka hitarika sy hitondra olona ho amin'i Kristy. Azon'ny membres atao ny mametraka fanontaniana sy mamaly na manome sosonkevitra sy mitondra fanazavana amin'izay lohahevitra aroson'ny membres. Ny lohahevitra lehibe mibaiko ity vondrona ity dia ilay tenin'i Martin Lotera hoe: "CRUX SOLA EST NOSTRA THEOLOGIA" (NY HAZOFIJALIANA IRERY IHANY NO TEOLOJIANAY)