DISCUSSIONS D'ADULTES

DISCUSSIONS D'ADULTES is a French group. Having alot of group type in Facebook: close, open and secret and it is a CLOSED group. They attracted 331 members. So it is a Small group. You can find this group by searching 673435756055793 on Google, Bing or Yahoo. 2015-02-26 19:49:11 is the closest date we have information about it.

Miarahaba tonga soa ato amin’ny DISCUSSIONS D’ADULTES

ity Groupe ity de natao hiresahana ireto loha-hevitra manaraka ireto :
- Couple
- Maternité
- Education des enfants
- Sexualité
- Santé
- Phénomène naturel et surnaturel
- Vie de tous les jours

Afaka mitondra sy maneho hevitra ampalalàhana manodidina ireo loha-hevitra ireo ny mpikambana tsirairay.
Izany anefa dia atao ampamendrehana, izany hoe atao amin’ny maha olon-dehibe (adultes).
Tsy manakana ny tsirairay anefa izany ho atao anaty falalahantsaina (ouverture d’esprit) sy tsikitsiky(humour).
Marihana fa tsy natao hifanenjehana sy hifanalana baraka ato @ groupe, tsy hiresahana fanavakavaham-bolon-koditra sy ady lahy politika ary finoana. Afaka manao fitadiavam-bola isika rehetra fa kosa anaty fahamatorana tanteraka. Malalaka ny dokam-barotra araka izany. Mirary soa ary oooo!!!!!
Amporisihana isika mpikambana rehetra mba andray anjara mahavitrika amin’ny fanehon-kevitra manodidina ireo loha hevitra nosafidian’ny groupe ireo.

Tsara ho fantatra :

Mba hisian’ny rindra milamina dia misaotra antsika mpikambana rehetra sahady ny amin’ny fanarahana ireto fitsipika vitsivitsy ireto:

1. Ny fifanajàna no fitsipika lehibe indrindra, ka na amin'ny soratra, na amin'ny sary, na amin'ny fifanakalozan-kevitra dia aoka ho hita taratra hatrany izany.

2. Ny maha tompon'andraikitra ny tsirairay eto amin'ity sehatra ity mikasika ny zavatra avoakany (soratra na sary na hafa), ny fahamarinan’izany ary izay mety ho vokany.

3. Ny fanaovana ezaka amin’ny fampiasana soratra ho azon’ny rehetra vakina.

4. Ny fanaovana tatitra amin'ny mpandrindra raha misy trangan-javatra mampiahiahy na tsy manaraka ireo fitsipika voalaza ireo.
5. Ny soso-kevitra mety hanatsaràna ny groupe dia raisina atanandroa.

Fanamarihana :
Ireo izay tsy vonona hanaraka ireo fitsipika ireo dia iangaviana tsy hiditra ho mpikambana.

Misaotra Tompoko.